OVAO NY FONAY

APKM (Antsa-Piderana Katedraly Mahajanga)

OVAO NY FONAY


Maro ireo minia tsy mihaino ‘Reo teny lazainao
Misy e ! minia tsy mahalala ny hasin’ny Teninao
Enga anie ry Ray , (hiseho)
Hiseho ny Herinao (Miangavy re e !)
Vonjeo, vonjeo ‘ty taninay


Ouh ! ouh ! ouh ! ovao ny fonay ho tia tsy hahafoy
‘Ty Tanindrazanay ‘zay mila famonjena
(ka ho tany soa)
Ho tany soa ‘ty Tanindrazanay bis


Raha tojo harena mahafaly ny tena
(Dia aza avela) Dia aza avela ho variana
Tojo fahoriana namoy havan-tiana
Omeo fanantenana
Ampianaro hatrany f’ianao no tompon’ny Aina


V :Tolory fo tsotra mahay manaiky izay sitrakao
L : Tolory fo tsotra mahay manaiky izay sitrakao


L : I Dada sy Neny nampiana-niteny
V : an ! an ! an ! an ! an ! an !
L : Dia mbola haiko ny midera Anao
V : Tsy mahavita tena
Tsy maintsy miankina aminao


Tanora izahay ry Ray, be ny fahavalo
(ka) aza avela ho sondriana fa mba tantano
Ho fanasin’ity Tanindrazanay
Ho fanasin’ity Tanindrazanay


A/C: RANOELISON Nirina (Ni)


·