ORY
IRAFIA FJKM Ambohibao Antehiroka
ORY
1-Ory ny fanahiko Andrimanitra ô
Mijery ny fizotry ny firenena
Mahantra fa hita mijaly be
Tsy afaka mitraka amin’ny manjo
Ref: Tsy manan-kery intsony ny lalàna
Fa tototry ny vola ny marina
Mitalaho amiNao Andriamanitra ô
Vonjeo fa mijaly ny tsy manana
2-Faingana Ianao hanasitrana
Jesosy Zokinay hiankinana
Mijaly eto an-tany ny tsy manana
Mitaraina hatrany mbola tena very maina
3-Aizin-tany vono olona isanandro
Ny lalàna anefa dia eo ihany
Tsy atahoran’ny olona anefa izany
Omen any avocat ny vola anie dia afaka
(Hira nindramin’ny IRAFIA)