ORIORY NY SAIKO

Raindimby sy Voahangy

ORIORY NY SAIKO


Oriory ny saiko
Mieritreritra an’ialahy
Mitotototo isan’andro miady amin’ izao fiainana izao


Tsy maintsy manao izao aho e
Satria tiako tokoa nareo
Tsy ataoko resy tondro-maso
Ny fiainako ravahinareo


Aza kivy ,aza kivy e
Fa andrinay tokoa ialahy
Dia matokia f’izay tena izy e
No atokanay hanjakan’ialahy
Na be aza ny mpijokojoko
Manao raha mampitoloko
Akanga maro miara-dia ny antsika
Ny ankaso indray no lany fika


Tsy maintsy ho tafita letsy a
Ity sambokelintsika
mamaky onjam-piainana maro
Hafaliana mifangaroharo.


·