ORA SAROBIDY (La) - Hira Kômonio

APKM (Antsa-Piderana Katedraly Mahajanga)

ORA SAROBIDY (La) - “Hira Kômonio”



  1. Tonga ity ‘lay ora sarobidy
    Handraisako ny Vatanao sy Rànao Kristy
    Fantatro fa tsy mendrika izany aho saingy (mahatoky Anao aho) in-2


Mino aho Jesoa fa ny Vatanao sy ny Rànao Marina
No raisiko ao anaty Eokaristia
Mino aho fa Ianao tokoa, tokoa e!
No tonga Nofo aman-dRà ao anaty Kôminio


Ö mandrosoa ry Jesoa, ô mandrosoa
Mitoera ato am-poko hanazava ny fiainako
Mitoera ao ry Jesoa, mitoera ao
Fa (mahatoky Anao aho) bis



  1. Tonga ity ‘lay ora sarobidy
    Handraisako ny Vatanao sy Rànao Kristy
    Fantatro fa tsy mendrika izany aho saingy (mahatoky Anao aho) in-2


·