OnenoNao ny foko

A.Mi.A.Kri. Degss (Chorale Amboaram-peo Mitory An'i KRIsty Andrainjato Fianarantsoa)

OnenoNao ny foko


Titre : OnenoNao ny foko


(Uni-son vehivavy / Choeur)
Atolotro Anao izao anio izao ry Ray
Ny fianako sy izay rehetra mikasika ahy koa
Anjakaonao tanteraka,esory izay tsy avy Aminao
Onenonao ny foko fa mila Anao tokoa


(Choeur)
Fa raha tsy Ianao no manjaka ato am-poko
Dia ho zava-poana izay rehetra iriko ho tanteraka
Koa miangavy Anao, ekeo ny faniriako
Mitoera ato anatiko Ianao


(Sôlô vehivavy / Choeur)
Iriko ny hitoetra eo Aminao Jesosy ô!
Hisitraka fiadanam-po ka hijoro ho Anao
Halaviro ahy ny fakampanahy, ny tsy finoana ihany koa
Ka mba hahaizako manara-dia Anao


Fa raha tsy Ianao……(×2)


A/C : Hasiniaina Wedneslas


·