ONDRY NANIA
Antsan'ny Famonjena Betlehema Ankofafa (AFA)
ONDRY NANIA
Ray ô ! Henoy ty zanakao ( henoy, miantso anao) sy mitalaho
Zanak’adala, ondry nania, satry nanota teo aminao
1- Tsy mendrika akory hiantso ny anaranao
Ray nefa ianao tsy mba mandà
Fa mbola mandray ny tanako
Ka mihainao ny fifonako
Mamela ny helokay ianao
Raha miova amin’ny hoavy
Ka mibebaka mibebak’izahay
2- Indro sahy mijoro izahay fa navelanao
Ny helokay ka madio
Ka hitory sy hanambara
Fa lehibe ny fitiavanao
Jesosy o ! Indreto vonona
Ka iraho amin’ny hoavy
Fa hanompo anao izahay