Ondry nania
Antoko Mpihira MORIA
Ondry nania
Ô ry ondry nania ampy izay ka modia
Miandry anao ilay Rainao be fitia ka modia
Ka raha toa hitanao fa efa trotraka ianao
Miverena ao an-tranon-dRainao
Tsy ny ditra natao no hamoizako anao
Tsy ny Ray sanatria no handao
Manantona ho trotroiko
Lamba soa no hasalotro anao (hatolotro anao)
Tany ianao ela be, dia mihevitra hoe
Manadino anao ilay Rainao sanatria
Ilay Rainao mora fo, fiantanao tokoa
Dia miandry anao hatrizao
Ô ry ondry nania tsy miova ny ety
Koa raha manina ianao malakia