ONDRY NANIA
APF TANGAINA
ONDRY NANIA
Izaho olona efa nania ka very
Mbola nantsoin’ilay Tompo tia mahery
Dia Jesoa Zanaky ny Ray Tsitoha
Nahafahany aho ka falifaly
Manandram-peo ho hitanareo
Tsy menetra aho ka indro miventy
Hosana Haleloia
Faly aho ka hidera an’i Jesoa ( Eeeh Faly aho )
Izy no tompoiko sy hasiniko ( eeh sambatra aho )
Raiso ka handramo fa tsara Jesoa ( eeeh faly aho )
Ho azonao koa ny hafaliana toy izao
Faly aho ka hidera an’i Jesoa…. Ho doria .
Nampiditra : Niaina