Omeo toky aho

Vola sy Noro

Omeo toky aho


Omeo toky aho
Mba tsy hamohifo
Satria ianao
No masoandroko


Toa adaladala
Ny tononkaloko
Ianao mahalala
Ny haretiko


Tena mafy izany tia
Koa manodiava anao
Ianao no be siasia
Izaho no lavo mila anao


Omeo toky aho
Dia tena ho anao
Fa raha mbola izao
Samy kilalao


Omeo toky aho
Fa voajononao
Te hitsaotra aho
Saingy resinao


Tena mafy izany tia….


Omeo toky aho
Ireo aliko
Mila ny sandrinao
Hiondanako


Omeo toky aho
Sao fitahinao
Omeo toky aho
Tsy hanadino anao


Tena mafy izany tia….


·