OMEO HERY (Hira faneva faha-10 taona Anjomaran'ny Fitiavana)

Anjomaran'ny Fitiavana

OMEO HERY (Hira faneva faha-10 taona Anjomaran’ny Fitiavana)


Midera Anao izahay, ry Tompo Andriamanitray
Tehirizo izahay hitoetra ao Aminao
Hahay hanara-dia Anao, sy hankatò ny sitrakao
Ka ho vavolombelonao, n’inona hatao


Fiv:
Hitory ny Anaranao amin’ny rahalahiko aho
Ny fiderana Anao no hataoko mandrakariva, Tompo oo
Rakofy ny fanahinao, ho lavorary izay hatao
Ho mendrika tokoa ny Voninahitrao


Misaotra Anao izahay, fa tsy nafoinao ry Ray
Ampoky ny fitahianao sy ny Fitiavanao
Fa notendrenao ho irakao, mba ho Mpandresy toa Anao
Hitory koa ny teninao, n’aiza misy anay


Fiv …


Tonony sy feony : RAZAFINDRAZAKA Handrisoa
By Miora Hajavolamena


·