Omeo fijery mamy

Johasina

Omeo fijery mamy


Omeo fijery mamy, Omeo fitia sesilany
Omeo fijery mamy, na dia manify ihany


Ny maso dia fitaram-panahy,
mampisinda ny ahiahy
Ahitàna ny fitiavanao ahy
ka mahatonga ahy ho sahisahy


Raha nisafo ny endrikao,
dia nisy hery nisintona aho


Mihaotra aho ny hanantona anao,
Vina ny antsika sy anao
raha tojo ilay topi-maso


Omeo fijery mamy,
Omeo fitia sesilany
Omeo fijery mamy, na dia manify ihany


Ny maso no manolo ireo teny,
mangingina ao an-tsainao
Tsy mahatsindry ombieny ombieny,
reo tsy ambaran’ny fonao
Mba tolory antoka aho,
hoe tsy handa raha hiroso aho


Mihaotra aho ny hanantona anao,
Vina ny antsika sy anao
raha tojo ilay topi-maso


Omeo fijery mamy,
Omeo fitia sesilany
Omeo fijery mamy, na dia manify ihany


[Solo 🎷]


Mihaotra aho ny hanantona anao,
Vina ny antsika sy anao
raha tojo ilay topi-maso


Omeo fijery mamy,
Omeo fitia sesilany
Omeo fijery mamy,
na dia manify ihany


·