OMEO AZY (Do) - Rakitra

APKM (Antsa-Piderana Katedraly Mahajanga)

OMEO AZY (Do) - “Rakitra”



  1. Omeo Azy, omeo Azy, omeo Azy ny fiananareo
    Atolory Azy, atolory Azy, atolory Azy ny fonareo
    Avelao mba hanjaka sy hahazo Lapa
    ‘Lay Mpanjakan’ny Fanetren-tena
    Katsaho aloha ny Fanjakan’Andriamanitra
    Dia omena anareo ho fanampiny ny zavatra rehetra
    Izay mamafy kely dia hijinja kely
    Izay mamafy be ihany no afaka hijinja be
    Izay famarana hamaranao ihany
    No tsy maintsy mbola hamarana anao indray andro any
    Omeo Azy e! Omeo Azy e!
    Avelao hotantanan’ny Tompo ny fiainanao manontolo
    Atolory Azy e! Atolory Azy e!
    Fa efa voahisany hatramin’ireo singam-bolo!

  2. Omeo Azy, omeo Azy, fa tsara kokoa ny manome noho ny mandray
    Atolory Azy, atolory Azy, fa izay mahafoy be ihany no omena be dia be
    Miharia harena any an-danitra any
    Fa mandalo ihany anie isika eto an-tany
    Fatra mifatratra tsara no ‘ndeha afaro
    Ny manaiky ho andevozin-karena re atsaharo !
    Ny soa atao dia levenam-bola
    Fa ny ratsy atao kosa dia loza mihantona
    Mahaiza mihantra raha te-hiantrana
    Mahaiza mizara ihany koa raha mba te-hizaràna
    Omeo Azy e! Omeo Azy e!
    Avelao hotantanan’ny Tompo ny fiainanareo
    Atolory Azy e! Atolory Azy e!
    Atolory Azy fa Izy no Tomponareo
    Omeo Azy e! Omeo Azy e!
    Omeo hanjakan’ny Tompo ny fiainanareo
    Atolory Azy e! Atolory Azy e!
    Fa ny Tompo Jesoa no mahalala mialoha ‘zay rehetra mahasoa


·