OMEO AZY

Rija Ramanantoanina

OMEO AZY


Dia nifitsaka mangina
ilay zandry feno loto
nanondrika ny lohany,
nandinika ny tany,
nitsahiny rehetra,
mitsinjo izay ho alehany …
Ny hodiany moa tsy misy,
Ny vatsy koa dia foana,
Ny an-koditra miharovitra,
Ny fafin’ny fanala,
Ny hovitry ny hatsiaka.
Niaretany avokoa ireo.


Fa trotraky ny fiainana
’Lay tovolahy ka fanina
Tsy hita intsony izay aleha
Fa tapitra ny lalany
Ka ny ainy ho lasa
No hany sisa andrasany


Dia nivadika ny taona
Nandroso teny ny andro
Dia hitako Ranamana
Arahin-tovovavy
Mibaby zazakely, mitovy loko aminy
fa zara raha mitafy
ity zaza menavava
matory eo an-damosiny
Fa taratra sahady!
ny aloky ny ampitso
sy ny endriky ny ho fiainany…


Voatokana hijaly ve?
ity zandrikely mihalehibe…
Tsy hita intsony izay ho aleha
Fa tapitra ny lalany
F’izay an-drainy
tsy hita hodiavina


Ray ô!
ny anio sy ny ampitso izay Anao raha sitrakao
Anomezo azy koa.
Omeo azy anio
ny hazavana izay tsy hitany hatrizay
Omeo azy Raiko ô!


·