OMEO

Rantsana Fanantenana - FJKM Ambaniala Malala

OMEO


Eny, iza no hatoniko?
Eny, iza no hitarainako?
Moa hisalasala va?
Raha Jesoa, Izy tsy handà


Tsy hafeniko Aminy avokoa
Ireo kinasa ka tononiko
(An5 ou ou ou, ou ou ou)
Handrotsahany ny soa
Ho zaraina tsy ho tazoniko


Omeo fitiavana aho hitiavako
Omeo fo mihavana hihavanako
Ny fahendrena tsy ho hadinoko
‘reo no soa tiako ho fihiniko


Ireo kamboty mila fitiavana
Ireo fahavaloko tiako hihavanana
‘zany fahendrena tiako hiainana


Omeo fitiavana aho hitiavako
Omeo fo mihavana hihavanako
Ny fahendrena tsy ho hadinoko
‘reo no soa tiako ho fihiniko


·