OMEM-BONINAHITRA

AMPIZIFA

OMEM-BONINAHITRA


He! taona maro izay no lasa niainanay
Nanandratanay avo ny Anaranao ry Ray
Ka niboiboika fiderana re ny molotray
Fa ny didinao no nampianarinao anay


Koa Ianao ry Ray Mpahary
Izay nihavian’izao rehetra izao
Ianao ’lay nihazona hatrany
Omem-boninahitra mandrakizay Ianao


Izao anio izao indrindra taom-pankalazana
Izay natokana hanandratana ny Hosana
Hiredonanay ny Antema sy Hira fiderana
Hanehoanay fa Ianao no mbola nomba sy nitàna


Koa Ianao ry Ray Mpahary
Izay nihavian’izao rehetra izao
Ianao ’lay nihazona hatrany
Omem-boninahitra mandrakizay Ianao


Na ny anio, na ny omaly, eny ny hoavy koa
Hatokanay ho fiderana Anao Ray Tsitoha
Ka ireo andro sisa rehetra izay mbola omenao
Irianay ho eo an-tànanao, raiso Tompo hanjakao


Koa Ianao ry Ray Mpahary
Izay nihavian’izao rehetra izao
Ianao ’lay nihazona hatrany
Omem-boninahitra mandrakizay Ianao


Koa Ianao ry Ray Mpahary
Izay nihavian’izao rehetra izao
Ianao ’lay nihazona hatrany
Omem-boninahitra mandrakizay Ianao


·