Omeko azy
FEO MIRINDRA
Omeko azy
Raha ny heriko ry Ray
Zavapoana tokoa
Fa ianao no mahay
Mahay izay mahasoa
..Fa eo ireo fitsapana, fisedrana
Amin’y fiainako ety, soa fa teo Kristy..
Nitantana niaro
Ary nahatsiaro
Ka na inona mianjady
Izy no hiady
Mahery dia mahery
Ny vavaka atao
Ka tsy hamela irery
Fa indro miano ianao
..Hisolo fifalina, fitahiana
Ireo tebiteby anaty fo
Resy ireo manjo..
Nitantana niaro
Ary nahatsiaro
Ka na inona mianjady
Eo Jesô hiady