Omeko anao
Liana Finaritra
Omeko anao
Lavitra ahy
Ilay mampitony ahy
Mifikitra foana nefa hay fa
Mamono ahy hatrany ilay fitia ka
Tsaroako indray
Ilay nanaitra ahy
Ilay endrikao tonga ao an-tsaiko fa
Mahatsiaro anao tsy eto akaikiko aho
Avelao aho hitondra anao
Mampatsiahy ahy hoe sambatra aho
Rehefa maheno ny feonao an-tsofiko aho
Nofisiko ny hatsaranao
Hokaloiko ny hafalianao
Ny fitiavako dia omeko anao
Ao anatiko no mitoetra
Ny hafalian’ny fo izay hamenonao
Ny fiainako … rehefa eo ianao
Zavatra iray
Tsy niova hatr’izay
Tsy angovitra sy atahotra aho fa
Anilanao no tokony hisy ahy
Avelao aho hitondra anao
Mampatsiahy ahy hoe sambatra aho
Rehefa maheno ny feonao an-tsofiko aho
Nofisiko ny hatsaranao
Hokaloiko ny hafalianao
Ny fitiavako dia omeko anao
Ao anatiko no mitoetra
Ny hafalian’ny fo izay hamenonao
Ny fiainako … rehefa eo ianao