OMEKO ANAO
Johane
OMEKO ANAO
Izaho sy anao, samy vonona
Hiara dalana, hifampitantana
Hamakivaky zany fiainana
Aza manahy fa, eo foana aho ho anao
Izaho sy anao, samy mahafantatra
Fa na ho mora, na ho sarotra
Dia tsy hiova, tsy hivadika
Mandrakizay, zay no tanjona.
Omeko anao, zay rehetra momba ahy
Omenao ahy, zay rehetra momba anao
Fa ny fontsika roa mikambana.
Ho mariky, ilay Fitiavana.
Ankehitriny, Tiako ho tsapanao
Fa tsy hisy, olona afa hasoloko anao.
Eny sarobidy, indrindra amiko ianao.
Mandrakizay, zay no tanjona.
Omeko anao, zay rehetra momba ahy
Omenao ahy, zay rehetra momba anao
Fa ny fontsika roa mikambana.
Ho mariky, ilay Fitiavana.
Omeko anao, zay rehetra momba ahy
Omenao ahy, zay rehetra momba anao
Fa ny fontsika roa mikambana.
Ho mariky, ilay Fitiavana.
Izaho sy anao, samy vonona
Hiara dalana, hifampitantana
Hamakivaky zany fiainana
Mandrakizay, zay no tanjona.