Omeko anao

Imagine

Omeko anao


Izarako ny hafaliako
Sy ireo androm-pahoriako
Volana fanilon’ny haizina ianao


Ny tsikinao ry malala
Dia mitondra fifaliana
Tiako mba hitoetra tsy hiala


Raha sendra ka sahirana ianao
Aza manahy f’izaho eo anilanao
Ho vetivety foana akia ny fahoriana
Satria omeko anao ny fanafodiny


Loharanon’ny fitiavako
Tsisy fetra satria mamiko
Taratry ny hasambarako ianao


Ny tsikinao ry malala
Dia mitondra fifaliana
Tiako mba hitoetra tsy hiala


Raha sendra ka sahirana ianao
Aza manahy fa izaho ho eo anilanao
Ho vetivety foana akia ny fahoriana
Satria omeko anao ny fanafodiny


·