Omaly akia

Mahaleo

Omaly akia


Omaly akia toa tsy halazo
Namelana maintso toa tsy handao ny hazo
Omaly akia lavitry ny ahiahy
Ravoravo fanahy, tanora ka sahisahy


Omaly Akia tsy fantatra ny tahotra
Niriaria tsy mba niahotra
Omaly akia izao fiainana izao
Izay rehetra natao toa kilalao


Omaly akia toa tsy ho rendrika
Mitsikitsiky sy miran’endrika
Izay nanjo tsy nahoana avokoa
Hay ny nampitony fo toa voninkazo tsy ho lo


Ankehitriny felana mavo
Miandry ny andro izay hahalavo
Ankehitriny antitra tsy afa-mihetsika
Mpilomano lany tetika
Miandry izay hampilentika


Omaly akia lavitry ny ahiahy
Ravoravo fanahy Tanora ka sahisahy


·