Olo-maro

KTLM Tsanta Fitoriana Ambohimena

Olo-maro


Olo-maro no maniry re
(Tompo ô)
Fanampiana avy aminao
(Tompo ô jereo)
Resy re ka mitalaho izao
Miandry Anao fa aiza moa Ianao


Fa mivavaka isan’ andro izao
Midradradradra miantso mafy Anao
Tompo o aza manary ahy
Tompo o, Tompo o mitalaho
Tompo o, Tompo o mba jereo
Fa efa miandry, miandry hatrany Anao
Tompo o vonjeo ny olonao


Zay rehetra hita eto izao
(Tompo ô)
Mampiseho ny fitiavanao
(Tompo ô jereo)
Tsiny ve raha miandrandra Anao
Tsia Jeso fa mbola ho avy Ianao


·