Olana (hatry ny alina)

Rebika

Olana (hatry ny alina)



  1. Hatry ny alina no efa sorena kirikiriana
    Anarany fotsiny no mba teo am-pandriana
    Mitangorona avokoa, rehefa adin-tsaina
    Nifanao fotoana ry zareo andrerak’aina


Ngiahy be masoandro, iry mandodona
Famataranandro, oh! tsy azo ivalozana
Ingahy Tale moa any am-piasana
Tsy mandefitra mihitsy amin’ny fahatarana


Ref : Nefa ny olana mbola misy ato an-trano tsy maintsy ho vahana
Ny adidy amin’ny fianakaviana koa moa tsy azo ialana
Ora iravana, no ialana, izay vao mba mody amin’ny tanàna


Ao anatin’izany ny karazam-pahotana
Indraindray fandikan-dalàna
Mihezaka ihany ny anisy fanovana
Mbola mafy ny ady fa manjaka Satana



  1. Fa mandroso ny taona, teo koa ny faniriana
    Ny ho avy mikitrona mamboly akiviana
    Karazana aretina maro tsy maintsy iadiana
    izay fanafody mba misy tsy laitra vidiana


Rafahanterana indro manangasanga
Ny hoavin’ny taranaka anefa toa mbola banga
Ny andro iainana toa lanin’ny sakafo
Raha te ho velona mividy lafo


Ref : Nefa ny olana mbola misy ato an-trano tsy maintsy ho vahana
Ny adidy amin’ny fianakaviana koa moa tsy azo ialana
Ora iravana, no ialana, izay vao mahita an-dry madama


Ao anatin’izany ny karazam-pahotana
Indraindray fandikan-dalàna
Mihezaka ihany ny anisy fanovana
Mbola mafy ny ady fa manjaka Satana


Ao anatin’izany ny karazam-pahotana
Indraindray fandikan-dalàna
Mihezaka ihany ny anisy fanovana
Mbola mafy ny ady fa manjaka Satana


·