O ry Ziona

Antoko Mpihira Akon'I Ziona (FJKM Ambohitsoa Fibebahana)

O ry Ziona


Refrain 1 :
O ry Ziona, o ry Ziona ô
Miambena ianao, miambena ianao
Maro be ireo mpamingana ny lalanao
Ka miambena ianao
Fa maro be ireo mpamingana ny lalanao
Ka miambena ianao


Refrain 1 :
O ry Ziona, o ry Ziona ô
Mifalia ianao, mifalia ianao
Fa ny Tompo no miambina ny lalanao
Ka mifalia ianao
Fa ny Tompo no miambina ny lalanao
Ka mifalia ianao


1/
Mitsilopy ny fanala hitsinjovana ny dia
Na mikitroka aza ny ala, mahereza, matokia


2/
Fantatrao fa lalan-tery no tsy maintsy hizoranao
Nefa ao Ilay Mahery, homba sy hamaha ny olanao


3/
Na miakatra mivena, na mahitsy miolaka
Ny eo alohanao jerena, ndrao ianao ho potraka


·