O ry volana

Antsa Faravohitra

O ry volana


O ry volana eny ambony mba misehoa re
O ry rahona irony, mba misavà re
Mbola lava re ny lalana
Mbola lavitra ny halehako
Ka tsinjovy izany diako ô ry volana.


Volana ô, mibaliaka.
Mahasondriana lalandava.
Mba velomy ao am-poko
Zany taratrao mazava
Ka hisava ny tomany
Sy ny tahotra mavany
ô ry volana ô, mitondra haravoana.


Aza ilaozanao miery ô ry faniloko
Sasa-miandry manirery dada sy neniko
Efa mandry sy matory ny tanana tsy hita akory
Fa ianao no hany hitantana ô ry volana ô.


Volana ô, mibaliaka.
Mahasondriana lalandava.
Mba velomy ao am-poko
Zany taratrao mazava
Ka hisava ny tomany
Sy ny tahotra mavany
ô ry volana ô (ry volana ô)
Mitondra haravoana.


Volana ô, mibaliaka.
Mahasondriana lalandava.
Mba velomy ao am-poko
Zany taratrao mazava
Ka hisava ny tomany
Sy ny tahotra mavany
ô ry volana ô (ry volana ô)
Mitondra haravoana.


·