O MITSANGANA

Ny ANTSAN'NY FAMONJENA

O MITSANGANA


O Mitsangana, ( O ! Mihira )
Ka mandehana ,( O Midera! )
Andeha torio ny filazantsara
Torio hatrany mba ho ren’ny vazan-tany ( hery ho anao, aina vaovao )
Torio hatrany mba ho an’ny manam-pofon’aina


Fa famonjena, ( tamin’ny ra)
No efa nomena, (nalatsaka)
Ho antsika izay efa voavidy
Kanefa be ireo izay tsy mahalala (mbola variana, toa tsy mba liana )
Kanefa ondry tokony ho ao am-bala


Torio eny rehetra eny
Ho re hatrany am-paran’ny tany
Ilay tantaran’ny filazantsara
Efa nafoiko ho anao


O mitsangana fa ny Tompo momba anao
Eny e! Izy momba anao, mitantana anao
Naniraka anao, manantena anao
Tsy mahafoy anao, mialoha anao
Azy ianao, asany no ataoanao.


·