O! MANDRENESA

RANTSANA FANANTENANA BEMASOANDRO ITAOSY

O! MANDRENESA



  1. O! mandrenesa ianareo,
    Ka makanesa aty Amiko
    Ianareo izay miasa fatratra
    Omeko fitsatahana


(Fa Izaho no làlana) Hoy ny Tompo!
(Izaho no fiainana) Hoy ny Tompo!
(Ka izay manantona Ahy) Tsy ho laviko!
(Ary ny aretina) Ho sitraniko!


REF: Jesosy Tomponao, mbola miantso anao
Manantona Azy fa sao ho neninao
Aza matahotra na miahotra
Jesôsy no Mpanavotra



  1. izay mandona no hovohana
    ‘Zay mangataka no omena
    Izay mino koa no hovonjena
    Izay mino no hovonjena


(Fa Izaho no làlana) Hoy ny Tompo!
(Izaho no fiainana) Hoy ny Tompo!
(Ka izay manantona Ahy) Tsy ho laviko!
(Ary ny aretina) Ho sitraniko!


(SVM FJKM Kristy Fiainana Bemasoandro Itaosy)
A/C: Ny Aingafito
By Sandy RANDRIANAIVO


·