O iza re

Groupe Ny hiran'ny Fanantenana

O iza re


O iza re no hianteherako toa ts’isy azo antenaina koa
Reo tena tia sy akaikin’ny fo toa lasa nandao avokoa
Na ory aho na faly ry Raiko na inona zava-manjo
Reo ady tsy maintsy sedraiko Tohano aho mba ho tody soa


Tsy eto an-tany no lova miandry ahy fa any an-danitra any
Io no anjara nomaniny ho ahy miomàna dieny izao
Ny ota tsy maintsy ialako ny haizina anatin’ny fo
Ireo fahazaran-dratsy ampio aho mba ho tody soa
Ny lala-malàma ry Raiko , ny vato manohana koa
Ny aizina mandrakotr’ahy tantano aho mba ho tody soa
O ! O ! O !
Ny haizina mandrakotr’ahy
Tantano aho mba ho tody soa


·