O hidera

Antoko Mpihira Akon'I Ziona (FJKM Ambohitsoa Fibebahana)

O hidera


O hidera Anao aho
O hihira ho Anao
Eny hidera Anao hatrany aho
Andriamanitro Tsitoha
O hihira ho Anao
O hidera Anao aho
Hankalaza ny voninahitrao
(Tompo Tsitoha)


1/
Jesoa รด, misaotra Anao ny foko
Noho ny fitantananao ny fiainako
Na mitoetra aho na mandeha
Na tomany na homehy
Dia momba ahy hatrany Ianao
(Hidera Anao)


2/
Ny talenta ananako dia Anao
Nomena indramiko hatrizao
Nampiasaiko ankitsimpo
Nitoriako Anao Jesoa
Ka mbola hitoriako Anao
(Hidera Anao)


3/
Tsy hijanona ny dia, ny diako
Raha tsy efako tokoa ny adiko
Tantano aho tsy ho rendrika
Hamasino ho mendrika
Ny ho mpitilinao Jesoa


·