Ny zatovo vao miarina

Antokom-pihira Vetson'i Siona

Ny zatovo vao miarina


I. Ny zatovo vao miarina
Hamongatra ny fatorana
Lalana iray no marina
azon’izy ireo izorana


Ref: Tsofy rano re ry Zanahary ô
Ny tokantranony, sy ny hoaviny
Mba tantano re r’Ilay Nahary ô
Ny diany s’ireo mpianakaviny


II. Efa natambatrao ho iray
Izy ireo ankehitriny
Hamasino izy ireo ry Ray
Ny fanahiny tsy hanan-tsiny


III. Fantatray mazava loatra endrey
Ny teninao manambara hoe
Mitomboa ary miamaroa
Ny teninao anie ho maro mpankato


© Vetson’i Siona


·