NY VOADIKO (Mi)

Feon'ny fiderana

NY VOADIKO (Mi)


Ny voadiko ry Jesoa ny hanompo anao
Na an_tsaha na an_tanàna ivavahako
Ka ny lalanao no lalako
Izay sitrakao ataovy amiko fa vonona aho handray


Ny voadiko ry Jesoa ny hanompo anao
Na hatory na hifoha hanao ny soa
Ka ny tianao no tiako
Izay sitrakao ataovy amiko fa vonona aho handray


Ny voadiko ry Jesoa ny hanompo anao
Ho re an_tany an_danitra mandrakizay
Ka ny maminao no mamiko
Izay sitrakao ataovy amiko fa vonona handray


Ref: Ka hiezaka aho hanompo anao
         Mba tohano aho ry Raiko mba tohano
         Ka ny lalanao no lalako
        Izay sitrakao ataovy amiko fa vonona aho handray


·