Ny tiana eo anilan'ny tiana
Andrianary Ratianarivo
Ny tiana eo anilan’ny tiana
Ny tiana eo anilan’ny tiana roy ô
Miangolagola é mahafinaritra zareo
Toa tatamo sy kamory
Ka aina mantsy no fetra roy ô
Eny roy ô ! eny roy ô !
Ah ry ‘zareo
Ny eo akaikin’ny lala roy ô !
Mitositosy ô! Miramiran-tava izy ô
Bararata ladinim-bahy
mifaningotra mandra-maty roy ô
Eny roy ô, eny roy ô
Ah ry ‘zareo
Raha sendra ka tsy hita i lala ô !
Misento anie aho; maizina atoandro ny andro
‘rony volana ery ambony
Io no hiaraha-mijery roy
Eny roy ô, eny roy ô
Ah ry ‘zareo
Feony sy tonony: Andrianary Ratianarivo