NY TENA FITIAVANA

Antsan'ny Famonjena Betlehema Ankofafa (AFA)

NY TENA FITIAVANA


1)Ny fitiavanao ry Ray mpahary ô
Nomenao ny zanakao malalanao
Mba tsy hisy ho very izay mino Azy
Hanam-piadanana mandrakizay


Ref: Sarobidy sy manan-danja (sy manandanja)
Ny fitiavan’Andriamanitra ( tsy mba ho sandaina)
Tsy sandain’ny vola na ny harena
Fa tena fitiavana


2)Jesoa tia ô Mpamonjy ianao
Fa nanaiky ho faty hisolovana
Saingy velona ho mandrakizay
Mba ho santatra hoan’izay mino


3)Ry olombelona ô, tsarovy izao
Didy vaovao no nomen’ny Tompo
Dia ny mba hifankatiavantsika
Satria mpianatra voafidy hanompo


·