Ny Tena Fiainana

Antoko Mpihira PENIELA Ambohimandroso Alfa sy Omega

Ny Tena Fiainana


Misosa mora teo amin’ny fiainako
Ny zava-dratsy sy zava-tsoa
nilatsaka tanatin’ny fo sy loha
ary hitan’ny masoko roa


Koa asakasakao, izay mbola variana
Fa mandalo izao fiainana izao
koa hitodio ny lasa, dia banjino ny ho avy
fa izany no tena fiainana


Misosa mora teo amin’ny fiainako
Ny zava-dratsy sy zava-tsoa
nilatsaka tanatin’ny fo sy loha
ary hitan’ny masoko roa


Hapetrako eo aminao re ry Ray
ny fiainako ho mandrakizay
satria ianao nampiova ny fo sy loha
mba ho mpanompo mahatoky sy hankatoa


Koa raha misy any ho any, izay mbola variana
dia tsarovy fa fandalovana ny ety
fa manampetra izao, fiainana izao
fa Andriamanitra no TENA FIAINANA


Hapetrako eo aminao re ry Ray
ny fiainako ho mandrakizay
satria ianao nampiova ny fo sy loha
mba ho mpanompo mahatoky sy hankatoa


·