NY TEMPOLY

RANTSANA FANANTENANA BEMASOANDRO ITAOSY

NY TEMPOLY



  1. Ry tanora ô, moa ve fantatrao
    Mankaiza izato lalanao?
    Fa variana sy toa sondriana ery
    Kanefa mikoro sy mikodia
    Toa tsy fantatrao ny antom-pisinao
    Fa isik’izao no tempoly
    Sy vavolombelon’Andriamanitra
    K’aza avela hanjaka ny devoly


REF:
Andao ary moa tena hiankin-doha
Amin’Andriamanitra Ray Tsitoha
Fa izy handrotsaka ny Fanahy
Hiaro anao ary ko hitahy
Ho tempoly velona mijoro tokoa
Ho sampana tsara sy mamoa



  1. Ry tanora ô, mba ajanony
    Ny toaka, sigara sy rongony
    Fa mandoro sy manimba tokoa
    Sy mandrava ilay tempoly soa
    Manombok’izao tapaho ny hevitrao
    Atsharo hatreo ny filibana
    Fa ampy ho anao ny fahasoavan’iRay
    Anio sy ho mandrakizay


A/C: Ny Aingafito
By Sandy RANDRIANAIVO


·