NY TANY IZAY DIAVINAY
STK FJKM Ambatomena Antananarivo
NY TANY IZAY DIAVINAY
Ny tany izay diavinay Jesosy ô
Dia tany maha solafaka tsy mba hay
Ka na iza re mbola nofo sy rà
Tsy maintsy ho solofaka
Ô ! Ô ! Mba vonjeo amin’ny sandrinao
Hijoroako ho vavolombelonao
Hiadiako ny ady tsaran’ny finoana
Hananako fiainana mandrakizay
Ny tany izay diavinay Jesosy ô
Maneho famoizam-po satria hitanao
Fa manjàka ao ny haratsiana izay
Tsy hay tanisaina indray
Ô ! Ô ! Mba vonjeo amin’ny sandrinao
Hijoroako ho vavolombelonao
Hiadiako ny ady tsaran’ny finoana
Hananako fiainana mandrakizay