NY TANIKO
Dany Ranoa
NY TANIKO
1-Miorim-paka ao anaty
Mandra-maty,
Lovasoa sarobidy
Tsy voavidy,
Ianao ry tanindrazako
Malalako
‘Zay sahaniko sy mamiko
fa taniko
2-Ianao no niandohana,
Hiafarana…
Ianao no fianteherako
Salemako.
Ianao ry tanindrazako:
Aindrako,
Ka fihiniko, banjiniko,
fa taniko…
Isan’andininy:
Ianao no hany tokako, fialofako
Ianao ry tanindrazako, no Edenako.
Ka na mandreby sy manaitra ny rehetra,
Ianao no tiako, fifaliako, fitodiako!
Dany Ranoa 1968