NY TALOHA

Antsafi

NY TALOHA


NY TALOHA



  1. Taona maro nahitana ny soa teo ambany fitahian’i Jesoa
    Nanamarika ny lasa hita nivaingana ny asa hita nivaingana ny asa
    Tena tsy azo hadinoana tokoa
    Samy nanovo fahasoavana avokoa
    Fanahy maro no efa voavonjy koa
    Kanefa izany tsy midika hoe isika nahavita
    Hakana lesona ny zavatra taloha


Ref: Fa indro havaoziko ny zavatra rehetra
Izany no fanetanana sy tarigetra
Havaozintsika haniky handaroso sy ihavao
Ho voninahitr’Andriamanitra




  1. Ny fifandirana izay nahavoa
    Ny ady tsy nahitana tombotsoa
    Andeha honerana ireny
    Fitiavana avo roa heny
    Ka hifamela fa tsy anao am-po
    Vitan-tsika izany fa nahoana moa
    Fanahy Masina no efa mialoha
    Dia haneho fihavanana sy fifan-draisantanana
    Fa efa lasana ny zavatra taloha




  2. Ny fanompoana izay natao kitoatoa
    Natao tandrevaka tsy nivakiana loha
    Ndeha hanova fiasa
    Ampy izay ny andro lasa
    Tsy ho mpanompo nefa dia tsy mahavoa
    Ndao sokafana ny tanana an-kiroa
    Hifanohanana amin’ny asa atsy sy aroa
    Ka zay mety manoloana dia ho vitantsika foana
    Ny rahampitso tsy ho toy ny taloha




·