Ny Sekolinay

Emit Mikalo Fiderana(EMIFI)

Ny Sekolinay



  1. Ny fahasoavanao Tompo oh, no nahatoy izao anay
    Koa misaotra Anao, misaotra anao ry Ray
    Notolaranao toeram-panabeazana
    Hanovozam-pahalalana sy fahaizana


Firaisan-kina, fahendrena, fifankatiavana
Io no tarigetra sy filamatra
Fiombonana amin’ny finoana sy finiavana
Ho modely sy filamatra


Ref :
Ny sekolinay, toeram-panovozan-tsoa
EMIT sampana iray, Oniversiten’ny Fianarantsoa
Tanjona ho tratrarinay
Ho olom-banona mahay
Miantoka ny hoavy sy ny ampitsonay



  1. Ireo mpampianatra,mpandraharaha marobe
    Mikolokolo hatrany sady manabe
    Mpitantana mahay, miroso tsy an-kijanona
    Mamolavola anay ho olom-banona


·