Ny Ray
azofi fjkm ambohipo
Ny Ray
1/Ny teninao ry Tompo tia
Loharanon’ny finoanay
Sy hampandroso izany dia
Ho any aminao ry Ray
Fa tena mafy sy mideza
Ny lalana diavinay
Ry Jesoa Tompo ô meteza
Ho aro manda herinay
Ref :
Tsy anio na ampitso ihany
No fotoana hiorenanay
Fa raha ny zavatra eto antany
Tsy atakalonay ny Ray
Izay mijery ny lalanay
Loharanon-kery sy aina
Ny fahavalo hangaihay
Ianao satana hiala maina
2/Izao rehetra izao nohariana
Hidera sy hankalaza anao
Na fahoriana na fifaliana
Ny voadinay dia izao
Ny tsy hisaraka aminao
Amin’ny andronay rehetra
Finoana fiainam-baovao
Ireo ihany no tarigetra