Ny nitiavan'Andriamanitra

GAFLI

Ny nitiavan’Andriamanitra



  1. Andriamanitra Ray dia tia ‘zao tontolo izao
    Ka nomeny ny Zanany lahitokana
    Mba tsy hisy ho very ‘zay rehetra mino Azy
    Fa hanana ny fiainana mandrakizay


Ref: Ka ny foko sy ny fonao no tena iriany
Handray Azy toy ’lay tranon’omby taloha
Satria ho an’ny mpanota ny asa nihaviny
Dia nitondra famonjena soa




  1. F’efa tonga izao Jeso ’lay tena mazava
    Ny manaraka Azy tsy ho tafitohina
    Fa ny aizin’ny ota dia tsy maintsy misava
    ‘Zay mino Azy tsy mba ho melohina




  2. Teny soa mahafaly ho an’ny olon-drehetra
    Teny nitafy nofo mba hampihavana
    Sy mitondra fiadanana ‘zay tsy mba voafetra
    Dia fiainana feno fifankatiavana




·