Ny Namako Eran-tany

Tvbroadcasting

Ny Namako Eran-tany


Tafiotra sa tadio ve no miady amintsika ?
Efa hatram’izay anie ‘reo fahavalo no nasiaka.
Nefa isika tsy hamoy fo, dia tsy ho kivy velively ;
Fa Jehovah hanohana antsika,n’inona fiadiana hamely.
N’aiza ianao ,tsy miady irery ;
Ny namanao, maneran-tany.
Dia Jehovah Ray mahery
no hampitraka antsika hatrany.
‘Sika anie tsy ho resy ‘zany !


Jehovah efa nilaza fa hitondra famonjena.
Sady izy no Avo Indrindra, ho fialofana, ho fierena.
Dia antsoiny hoe olony isika; tena tiany ka tsy hariany.
Ny fanahiny omeny hampahery ’reo vahoaka nofidiny.
N’aiza isika tsy irery ;
ny naman-tsika, eran-tany.
(l,v)Dia Jehovah Ray mahery
no hampitraka antsika hatrany.


Hiara-hijoro isika, tsy hatahotra fahavalo.
Ny fontsika ho feno toky…Manana Ray tena miaro.


Izahay tsy miady irery ;
Ny namany maneran-tany
Dia Jehovah Ray Mahery
no hampitraka anay hatrany.
Fandresena no hiafarany !.
(May 2021)


·