Ny mozika mozikako

Fanja Andriamanantena

Ny mozika mozikako


Taho voatsongoko
Fiadiana firongoko
Poizina mosaviko
Soa irery toaviko
Ny mozika mozikako…


Voha varavarana
Tohoka hasambarana
Hadalako miery
Parakiko mahery
Trano fialofako
Afo irakofako
Ny mozika mozikako…


Lanitry ny saiko
Piti-drano ilaiko
Ny mozika mozikako…


Tohatra fiakarako
Tehin-kifaharako
Sangan’ny angentsako
Hidin’ny karetsako
Toroky ny laingako
Vadiky ny baingako
Trifan’ny ati-dohako
Ditra tsy voatohako…
Ny mozika mozikako…


Tonony sy feony : Fanja Andriamanantena (2005)
Mihira sy nandrindra : Silo Andrian (2005)


·