NY MINO

Laurent RAKOTOMAMONJY

NY MINO


Na dia mamaky lohasaha mangina aza aho
Ny mino an’i Jeso tsy mba manahy
Mandroso, mandroso
Ny mino an’i Jeso tsy mba manahy


Ka na dia misy ny mpamingana tsy tia
Ny fiainako milamina ery
Mandresy aho, mandresy aho
Ny fiainako milamina ery


Ref:
Ry mino an’i Jesoa Kristy o matokia
Jeso no andry rahona ny atoandro
Andry afonao rehefa maty masoandro
Ny antontan’onja mampitsangambolo
Arindrany alaminy daholo


Aza adino o ry mino
Jeso no andry rahona ny atoandro
Andry afonao rehefa maty masoandro
Ny antontan’onja mampitsangambolo
Arindrany alaminy daholo


Na tandindomin-doza be aza aho ety
Satria mandrahona ny tsunami
Matoky aho, matoky aho
fa manana an’i Tompo Jeso tia


Fa izy no efa lasa nialoha lalana ahy
Hanamboatra fitoerana ho ahy
Trano soa, trano soa
Toerana hitonian’ny fanahy


Ref:
Ry mino an’i Jesoa Kristy o matokia
Jeso no andry rahona ny atoandro
Andry afonao rehefa maty masoandro
Ny antontan’onja mampitsangambolo
Arindrany alaminy daholo


Aza adino o ry mino
Jeso no andry rahona ny atoandro
Andry afonao rehefa maty masoandro
Ny antontan’onja mampitsangambolo
Arindrany alaminy daholo


·