NY MAHA ANAO AHY

TSIARO

NY MAHA ANAO AHY


Mahatalanjona, tsy takatro, ny fihevitra itondranao
Toa manjavozavo tsy fantatro, ny làlanao ho ahy
Ny ao anatiko ao anefa tsapako, maniry tsy mba hiala Anao
Izay angamba no maha-Anao ahy
Ny mahagaga dia efa voasoratrao, ireo tokony ho atao
Izahay mihintsy ve no “be-sao”?, mamorona ahiahy
Ny ao anatiko ao anefa tsapako, maniry ny ho hitsinao
Izay rahateo no maha-Anao ahy


Ny lahatrao no hiainako
Ny lalànao no ho sainiko
Ny Tendrinao tsy hitarainako
Ny sitrakao hampijoro ahy
Satria aim-panahy
Izay no maha-Anao ahy


Interlude


Vao maraina, he masoandro mibaliaka
Poa toy izay, mamanala, mangatsika
Alaim-panahy aho, hitanondrika, tsy hibanjina Anao
Anio toa maina, ny ampitso kosa feno riaka
Maloka indray, ilay endrika izay nisariaka
Izay tokoa ny ao Aminao, manefy ahy ho eo an-tratranao


Mahatalanjona, tsy takatro, ny fihevitra itondranao
Toa manjavozavo tsy fantatro, ny làlanao ho ahy
Ny ao anatiko ao anefa tsapako, maniry tsy mba hiala Anao
Izay no maha-Anao ahy


Ny lahatrao no hiainako
Ny lalànao no ho sainiko
Ny Tendrinao tsy hitarainako
Ny sitrakao hampijoro ahy
Satria aim-panahy
Izay no maha-Anao ahy


·