NY LASINAY
Mpanazava sy Tily eto Madagasikara
NY LASINAY
Mamika mafy izahay miaritra hafanana mahamay
maika ho tonga an-dasinay hilalao
mavitribitrika ny fo faly ravo
miara dia fa ndeha hirihariha an-dasy ao
Ref: Hira rodobe no vetesinay re ka faly ery
ka samy mihira hoe
ry lasy maminay tokoa toa midoboka
ny fo faly ao anatiko ao mahita anao
Ireo zoky zandrinay dada neny havanay
izy ireo ilaozanay fotoana fohy
tsy hanadino sanatria lay ankanin’ny fitia
raha andeha hirihariha an-dasy ao
ref:…..
Ny lasy re raha toa atao fandinihana no ao
n’inona zavatra hanasoa tovinay
fa fiaraha-miaina koa asa mafy an-tsitra-po
ka be ireo soa an-dasy ao
ref:….