Ny lalako

AMM (Antsan' i Maria Manjaka) Talatamaty

Ny lalako


Ref: Raha misy te hanaraka ahy, aoka izy handà ny tenany)

Sy hitondra ny hazofijaliany, ka hanaraka ahy )(x2)


1- Ny zavatra rehetra, amin’izao tontolo izao,
Dia afoizo ho fanavotana anao
Ho sorom-pamonjena ny fanahinao
Any am-paradisa, any am-paradisa vaovao
Any am-paradisa, any am-paradisa ho anao


2- Mifankatiava toy ny nitiavako anareo
Dia ho tanteraka ny fifalianareo
Ka ho fiainam-baovao no iainanareo
Any am-paradisa, any am-paradisa vaovao
Any am-paradisa, any am-paradisa ho anao


·