NY ITIAVAKO ANAO
Bessa
NY ITIAVAKO ANAO
Ny itiavako anao dia hizarako
ny alaheloko
Ka hitondra zay mangidy nentiko
irery taloha
Ny itiavako anao dia hajainao
ny tsiambarateloko
Nitahiry ireo lasa ratsy
tsy tiako hifoha
Ref.:
Tsy…
(ireo akory dia ho)
ho ampy anefa ry Aiko
Mba…
(hilazako izay)
hitiavako anao
Fa…
(fa tsy ho haiko satria)
voafetra ny saiko.
Ka…
(ka teny tsotra toy izao..)
izao no ambarako anao
Izay nanao ny maraina
hifandimby amin’ny alina
No nametraka tam-poko koa ny
fitiavana anao
Ao anatiko ao no miboiboika
toa rano lalina
Ny itiavako anao dia satria
ianao ianao