NY HOLATRAO

AHL (Antoko mpihira Hanitry ny Lanitra)

NY HOLATRAO


1-Isaoranay eram-po sy eran-tsaina koa
Ry Tompo Zanahary Ray Tsitoha
Ny nanoloranao ny tenanao ho anay
Ny ranao soa nitete no nanadio anay


Fiv : Ny holatrao ‘zay nangidy taminao Jeso
Zary kofehy nampamatotra anay aminao
Ny fanavotanao anay no lova soa ho anay
Ry Jeso ô! Misaotra Anao ‘zahay


2-Nangorohoro mafy re ny fonao Jeso tia
Nanjary toy ny rà ny tsembokao
Nasehonao ny indrafo ‘zay tena lehibe
Kapoaka no nosotroinao tao Getsemane


3-Voasatro-tsilo tokoa ny lohanao Jeso
Voakapoka sy nolatsaina koa
Ny endrikao voaratra naharary Anao
‘Lay fonao tia no hany sisa novelominao


Ny holatrao nangidy taminao ry Jeso ô
No kofehy nampamatotra anay aminao
Ny fanavotanao anay no lova soa ho anay
Jeso misaotra Anao tokoa ‘zahay.


·