Ny ho Mpanomponao
Rantsana Fanantenana - FJKM Ambaniala Malala
Ny ho Mpanomponao
1- Tompo ô, malemy aho
Mora alaim-panahy
Tsy hahavita n’inon’inona
Ny amin’izay sitraponao
Nefa dia mangataka
Famindram-po avy Aminao
Na dia tsy mendrika aza aho
Ny antsoina hoe Mpanomponao
Ny Fiainako tsy mendrika
Ny foko feno loto koa
Ny saiko mora rendrika
Amin’ny zava-mora lò
Nefa dia mangataka
Famindram-po avy Aminao
Na dia tsy mendrika aza aho
Ny antsoina hoe Mpanomponao
2- Tompo ô, ny hoaviko
Fenoinao Fanahy
Hanavaozako indray
Ny fo, fanahy mba ho Anao
Nefa dia mangataka
Famindram-po avy Aminao
Na dia tsy mendrika aza aho
Ny antsoina hoe Mpanomponao