Ny ho eo akaikinao
Antsan'i Fenomanana
Ny ho eo akaikinao
1 - Ianao ilay mpankahery
Mpitantana ny dia
Miantso ireo izay very
Mbola maniasia
Fitiavana tsy ritra
Mamelona Fanahy
Katsahiko isan’andro
Fa fandresena ho ahy
Ref : Asandratro eto izao Tompo o
Ny voninahitrao
Ravoravo ny fo izay honenanao
2 - Ianao ilay mendrik’aja
Manetry tena am-po
Mpanjakan’ny mpanjaka
Andry hiankinako
Ny voninahitrao
Mamirapiratra
Katsahiko isan’andro
Fa fandresena ho ahy
Ref : Asandratro eto izao Tompo o
Ny voninahitrao
Ravoravo ny fo izay honenanao
Ny ho eo akaikinao Tompo o
No mahatsara ahy
Ka diovy amin’ny ranao masina
Antsan’i Fenomanana
Aut/Comp : RANDRIANARIJAONA Henry
Antsan’i Fenomanana